airtel

Sport

16-août-2022

Sport

Nanoratra tantara ny Ankoay Mendrika, raisin’ny Malagasy ho tompondaka…

Sample post image

Nikatona tanteraka ny alahady hariva teo ny fifaninana Kaontinantaly “Afrobasket U18” natao teto Madagasikara. Lavon’ny Ejiptianina tamin’ny isa 54-81 ny ekipam-pirenena.

16-août-2022

Na isika aza no nanokatra ny isa , nitarika 4-0 teo am-panombohana, dia nanatombo hatramin’ny farany ry zareo, izay nitarika 13-20 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. 21-41 ny fizaram-potoana faharoa, ary somary nifoha ny Malagasy teo amin’ny fiandohan’ny fizaram-potoana fahatelo satria nahafaty isa 8 voalohany nampihenana ny elanelan’isa, saingy niezaka nifehy ny lalao ny Ejiptianina ka 42-61 ny isa teo. 18,8% ny tahan’ny fahatafidiran’ny isa roa, raha toa ka iray tamin’ireo 12 kosa no tafiditra ho an’ny isa 3 ho antsika tao anatin’ny 20 minitra voalohany. Tao anatin’io ampahefa-potoana fahatelo isika no nandresy tamin’ny isa 21-20, fa ny telo ambiny dia lasa Ejiptianina avokoa. Niakatra ny elanelan’isa teo amin’ny fizaram-potoana fahaefatra ka io 54-81 io no isa nisarahana farany. Faharerahana noho ny lalao miisa 5 izay nifanandrinana tamin’ireo Ekipa izay goavana sy sangany aty Afrika avokoa no isan’ny antony lehibe iray nahatonga ny faharesena, raha ny nambaran’ny mpanazatra Aimé Randria. Na izany aza, tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena Malagasy, ary fandresena no nandraisan’ny vahoaka ny vokatra azon’ny Ankoay. Fandresena sy fahombiazana goavana ho antsika ny nandavoana an’i Mali izay tompondaka farany in-droa nisesy. Ankoatra ny niakarana tamin’ny famaranana sy naha tompondaka lefitra nahazoana ny medaly volafotsy, teo no nahazoantsika ny tapakila ahafahana mandray anjara amin’ny Fiadiana izay ho tompondaka eran-tany any Debrecen Hongrie ho an’ny sokajy U19 amin’ny taona 2023. Marihina ihany koa fa kandida, manana vintana handray ny AFRO-CAN 2023 I Madagasikara. Nidera ary naneho fa afa-po tamin’ny firakarana ny Afrobasket U18 ny FIBA. I Mali kosa no laharana fahatelo, izay nandavo mora fotsiny an’I Angola 79-54. Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, laharana faha-4 ny ankoay, izay lavo 37-53 nanoloana ny Palancas Negras Angolaise tamin'ny fiadiana ny laharana faha-3. Ny Malianina kosa no nibata fanimpitony ny amboara ho an’ny vehivavy, izay nandavo an’I Egypte tamin’ny isa mazava 86-54.
MATHIAS M’MADI NO MPILALAO MENDRIKA INDRINDRA
Ilay mpilalao Malagasy Mathias M’Madi no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra na “MVP” tamin’ity Afrobasket U18 ity ho an’ny sokajy zazalahy. Izy ihany koa no mpilalao mpampidi-baolina betsaka indrindra (125 points), ary voafantina anatin'ireo mpilalao 5 mendrika indrindra (All Star 5) aty Afrika. Ho an’ny sokajy vehivavy, dia isan’ireo 5 mendrika indrindra I Marion Rasolofoson.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap