airtel

Sport

11-sept-2025

Nicolas Barea

Ho tsenain’Ambavahaditokana makotrokotroka anio

Sample post image

Ho tsenain’ny mponin’ny kaominin’Ambavahaditokana amin’ny

11-sept-2025

fomba makotrokotroka amin’ity anio ity, ilay vodilaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara, Randriamanampisoa Nicolas Rijaniaina, fantatry ny maro amin’ny hoe Nicolas Barea, rehefa avy namiratra tany amin’ny tompondakan’i Afrika na CHAN 2024 farany teo. Araka ny fandaharam-potoana voaray dia hiainga eo amin’ny biraon’ny kaominina, amin’ny 1 ora tolakandro, ny mpitsena. Eo amin’ny fiolanana eo Ampasika kosa ireo mitondra kodiarandroa sy fiara. Amin’ny 3 ora, eo an-tampon’Itaosy, ireo mandeha tongotra miaraka amin’ny bampampa be. Aorian’izay izy dia ho raisin’ny ben’ny tanàna sy ireo tomponandraiki-panjakàna ao amin’ny kaominina. Hisy avy eo ny lanonana eo amin’ny tany malalaka andrefan’ny kaominina, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

Mangataka ny hanoloana an'i Iran hampidirana an'i Italie

Card image cap
28-avril-2026

Nahavita ny azy ny tao Mandritsara

Card image cap