airtel

Sport

15-mars-2021

Sport

Nicolas Dupuis Hampijoro mpilalao tsy mahazatra azy

Sample post image

Tsy maintsy hampijoro mpilalao tsy mahazatra azy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra,

15-mars-2021

 

 

Nicolas Dupuis, raha raikitra ny fihaonana miisa 2 farany eo amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny dingan’ny famaranan’ny CAN 2022 hihaonantsika amin’I Etiopia sy Niger ny 24 sy 30 martsa izao. Azo antoka 100% fa tsy hiverina izany aloha ny fampijoroana mpilalao toy izay hita tany amin’ny CAN 2019 farany teo. Voatery hanova ifotony ny endrika ho hita eny ambonin’ny kianja ity tekinisianina frantsay na any amin’ny vodilaharana io satria tsy ho eo i Thomas Fontaine na ny ao amin’ny lohalaharana satria tsy ho eo koa I Bolida. Mety hiteraka fiovana ao amin’ny afovoanin’ny kianja ihany koa anefa ny tsy maha eo an’I Rayan izay hita ho sady nahatana ny andraikitra maha irakiraka mpanafika no nahatana ny andraikitra maha irakiraka mpiaro sy mpandrindra lalao. Anjaran’ny mpitana ny laharana faha 10, raha ny lojika, no tena tokony hitazona izay anjara toeran’ny mpandrindra lalao izay saingy tsy nantsoina ihany koa anefa moa ilay mpilalaon’ny Bohemian FC atsy Irlande avaratra, Hery Bastien. Mila fahamailoana tanteraka noho izany ny mpanazatra amin’ny fampijoroana ireo ho Barea miisa 11 voalohany hiakatra kianja amin’ireo lalao miisa 2 farany ireo satria dia mbola tsy hay koa izay mbola ho fiovana hafa manoloana ity fiatrehan’izao tontolo izao ny olana ara-pahasalamana ity.

J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap