airtel

Sport

19-avril-2023

Sport

Nicolas Dupuis Izay vao tena voaroaka tsy ho mpanazatra

Sample post image

Roatokombolana taorian’ny nanaovany fanambarana tao anaty fiara tany Douala Caméroun ny 28 martsa 2023,

19-avril-2023

fa hiala tsy hanazatra ny Barean’i Madagasikara intsony vao tena ofisialy fa tsy i Nicolas Dupuis intsony no mpanazatra io ekipam-pirenena sokajy A io. Namoaka fanambarana ofisialy mantsy ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra na ny FMF, fa tsy mpanazatra ny Ekipam-pirenena Malagasy intsony i Nicolas Dupuis, ary ho fantatra afaka andro vitsivitsy ny mpanazatra vaovao. Vao herinandro eo izay no nilazan’i Nicolas Dupuis tao amin’ny tambajotran-tserasera fa nisy ny fifanakalozan-kevitra fanatsarana zavatra teo aminy sy ny Filohan’ny Federasionina sy ny Filoha lefitra. Tamin’izany no nilazan’i Nicolas Dupuis fa ho tafapetraka amin’ny volana jona ny mpanazatra vaovao. Nikasa tsy hiala raha tsy amin’ny volana jona ve izany i Nicolas Dupuis saingy io notsipahan’ny federasionina tanteraka io ? Tsy araka ny nambarany rahateo ny vaovaon’ny FMF izay nilaza fa afaka andro vitsy dia ho fantatra ny mpanazatra vaovao. Ratsy tanteraka ny vokatra ho azy, ary ireny niaraha-naheno ireny ny ampamoakan’ny mpilalao sasany, nilaza fa isan’ny tsy naharisika mpilalao maromaro handrafitry ny Barea i Nicolas Dupuis. Raha ny re dia nikasa mbola ialokaloka tamin’io toerana io ity mpanazatra tsy nahomby ity, ary nandeha aza ny resaka fa saika hikasa hiandry ny volana septambra araka ny efa nambarany tany aloha mihitsy. Tsy resaka baolina kitra ihany rahateo no zavatra ataon’ity vahiny ity eto fa misy zavatra hafa izay matetika hivezivezeny any ivelany, ary misy olona ambony mampiasa azy amin’izany. Voalaza fa nanamora an’io ny anarana nentiny tamin’ny baolina kitra ka antony saika mbola hitazonany baolina ela teo anivon’ny Barea, saingy io ofisialy io ny fanesoran’ny FMF azy. Ny fitondrana Rajoelina no isan’ny miaro fatratra an’i Nicolas Dupuis, ary tamin’ny fanesorana azy tamin’ny voalohany noho ny tsy fahombiazany, dia ny Filoha Rajoelina mihitsy no nilaza fa tsy famotehana azy fotsiny fa famotehana ny kitra Malagasy ny nanesorana azy. Notendrena ho Talen’ny Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena avo lenta avy eo saingy tsy hita izay vokany sy niafarany. Asa inona indray ny toerana hametrahan’ny mpitondra azy ? Raha miverina amin’ny kitra Malagasy dia efa voatendry ofisialy ny mpanazatra ho an'ny lalaon’ny Nosy, ka hitondra ireo Barea hiatrika izany ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald na Rôrô, Theodore Béatrice kosa ho an’ny sokajy vehivavy ; Andriamahery A. Boris ho an’ny kitra lalaovina amin’ny tora-pasika na « Beach Soccer », ary Abodou ho an'ny Cosafa U20 sy ny Lalaon’ny Frankofonia.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap