airtel

Sport

15-janv-2021

Sport

Nofo mangatsiakan’i Gôly Be Ho tonga eto Madagasikara amin’ny 24 janoary

Sample post image

Raha tsy misy ny fiovana, dia ho tonga eto Madagasikara amin’ny alahady 24

15-janv-2021

 

 

 

janoaryizao ny nofo mangatsiakan’i Rafalimanana Ferdinand (Gôly Be). Mialohan’izany, ho tonga eto Madagasikara ny vady aman-janany ny alahady 17 janoary izao kosa,navelan’Itompokolahy sy Rtoa kely zanany. Etsy andanin’izany nanatanteraka ny fiaraha-mientana amin’ny fahalasan'i Gôly Be ihany koa ny Foibem-paritry ny Fanatanjahantena ao Boeny miaraka amin’ny manam-pahefana any an-toerana, ka anasana ny rehetra ny hetsika. Nanomboka omaly ary mbola hitohy androany zoma, nisy ny fanangonana ny tolo-tanana ho fanampiana ny fianakaviana amin’ny fampodiana ny nofo mangatsiakan'Itompokolahy eto an-tanindrazana. Manoloana ny Lapan'ny Tanàna ny fotoana voatokana amin’izany. Ny sabotsy 16 janoary 2021 tontolo ny andro, hisy lalao baolina kitra ao amin’ny kianja Rabemananjara. Ny alahady 17 janoary 2021 amin’ny 6 ora hariva no fotoam-pivavahana ho fahatsiarovana azy ao amin’ny EKAR Mahbibo.

\Marigny A.

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap