Any Mahahanga no handray ny Ajesaia ny Fosa Juniors izay efa nandresy 3 noho 1 tamin'ny lalao mandroso. Ary raha izay no fipetrany dia efa misy tongotra iray any amin'ny famaranana ny Fosa izay mbola nampian'i Roro Rakotondrabe satria tsy nisy nijoro nanoloana an'i Ghana ny alahady teo iteo moilalaony afatsy i Tsiry ny 5 minitra farany .Na Dax na i Jean Yves sy Donga izay nantsoina farany dia samy tsy nilalao. Sa ve eritreretina hoe mbola tsy manana ny haavo teknika amin'ireny fihaonana avo lenta. Ka raha izay tokoa no izy maninona raha tsy mandeha any Afrika sao dia fihodinana voalohany Indray dia tapitra. Raha tsy hoe angaha hindrana an'i Nina sy Berajo ary Tendry hanentsenana ny banga. Mbola azo entina koa anefa i Feno Ajesaia.. Amin'izay dia maka tahaka kely ekipan'ny CHAN sady ho fanomanana ny Lalaon'ny Nosy. Ny lalao atao ny alahady aloha dia tena sarotra ho an'ny Ajesaia satria ny eran'ny Kianja Alexandre Rabemananjara dia hanohana Fosa hatramin'ny farany. Ity fanohanan'ny mpijery ity koa no mety ho tombony ho an'ny COSFA raha avoakany ny miaramila handeha ho eny Ambohidratrimo ny sabitsy izao. Tsy azo ambaniana mantsy ny Fanalamanga na dia voatazona sahala aza tany Barikadimy tamin'ny lalao mandroso. Efa zatra ady rahateo ry Tsalo sy namany ka tsy hanaiky lembenana. Tena hiady izany ny baolina fa tsy tahaka ny Fosa Juniors sy Ajesaia.
Clément RABARY
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,