Namono baolina voalohany ny tompon-tanana tamin'ny alalan'ny penalty nodakan'i Christiano (11). Dimy minitra monja anefa Dia nosahalain'i Elefoni , ilay mpilalaon'ny Fosa Juniors teo aloha izany. Namono baolina indray ny Tia Kitra taty amin'ny fotoana fanampina tamin'ny alalan'ny Stéphane saingy nosahalain'i Fanalamanga izany irate minitra taty aoriana rehefa namono tena i Thierry Hatreto aloha dia Toamasina no ahitana mpijery maro indrindra saingy mbola ny ampahany kely amin'ny Barikadimy no misy olona. Tetsy amin'ny kianja Elgeco Plus Indray no nomontsanin'ny Mama FC tamin'ny isa 3 noho 1 ny JET Kintana Mbola mpilalao avy any amin'ny Fosa Juniors indray no nampiditra ny baolina voalohany ny minitra faha 38 izay baolina matin'i Gildas . Nampian'i Rico (61) io isa io ary dia mbola nalentik'i Njakatiana ihany tamin'ny baolina fahatelo (61). Izany no tena hoe naniry kintana araka ny fomba fiteny. Tsy nahafaty baolina mihitsy ny JET Kintana satria ny baolina iray niditra tao amin'ny haraton'ny Mama dia noho i Rindra namono tena .
VOKATRY NY LALAO ALAHADY
Ny andro omaly tetsy amin'ny Stadium Elgeco Plus kosa indray dia nahitana ny fandresen'ny Disciples FC an'ny Zanakala tamin'ny isa 3 noho 2. Vao maraina be (4) dia efa matin'i Tendry ny baolina. Telo minitra taty aoriana dia nosahalain'i Fabrice an'ny Zanakala izany. Saingy tsy ela koa dia nahafaty i Tsila (11). Mbola nosahalain'i Aubin Indray alefa izany saingy niondrika ry zareo Fianarantsoa taorianan'iny baolina faharoa matin'i Tsila. Ny lalan'i nototosaina teny Ambohidratrimo indray dia nandresy mazava telo noho iray ny Uscafoot teo anoloan'ny Ajesaia izay somary nilentika tamin'ity taona ity.
Clément RABARY
Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.
Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.
Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.
Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.