airtel

Sport

10-mars-2023

Sport

Orange Pro League Nivoaka nandresy ny CFFA

Sample post image

Miakatra miadana maka toerana any aloha ny CFF Andoharanofotsy taorian'iny fandresena azony omaly tetsy amin'ny By Pass nanoloana ny Disciples FC.

10-mars-2023

Tena niady ny baolina sady mifakafantatra rahateo ny mpilalao. Rehefa tsy nahafaty baolina ry Tendry sy Koka dia i Lalaina no nampiditra ny baolina tokana (65’). Somary sahirana tato ato ny Disciples satria vao avy resin'ny Elgeco Plus tamin'ny isa tokana. Lasa laharany voalohany ny CFFA raha niverina fahadimy indray ny Disciples taorian'iny lalao iny. Toy izao indray ny fandaharan-dalao :
Zoma 10 martsa
Kianja Barikadimy 2.30 : AS Fanalamanga # COSFA
Alahady 13 martsa
Kianja Vontovorona 2.30 : Fosa Juniors # USCAFOOT
Kianja Barikadimy 2.39 : Tia Kitra # Ajesaia
Kianja Ampasambazaha 2.30 : MAMA FC # Elgeco Plus Kianja Mahitsy 2.30 : JET Kintana # Disciples
Stadium Elgeco Plus 2.39 : CFFA # Zanakala
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap