tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Sport

"Pique-nique géant FRESH" Hafana ny fiarahana amin’ny AmbondronA sy Zay

Sambany no hikarakara hetsika miavaka ny orinasa Star mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta ho avy izao.

25-mai-2023

Sample post image

Pique-nique geant fresh" no anarana nampitondrainy azy io, fitsangatsanganana goavambe hotanterahina eny amin’ny Park Analamanga, lalam-pirenena fahafito ny datin’ny Alatsinainy 29 May ho avy izao. Ho avy hanafana nylanonana mandritra izany ny tarika AmbondronA sy ny Groupe 'Zay izay marihina fa mpanakanto samy manana ny maha-izy azy avokoa. 5.000 Ar ny vidim-pidirana amin’izany raha araka ny tafa fohy nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Eny an-toerana ihany koa mandritra ny andron’ny fampisehoana vao afaka jifaina ny tapakila ka mahazo zava-pisotro fresh maimaim-poana ny mpitsangatsangana tsirairay eo am-pidirana. Ho hita amin'io fotoana io ny endriky ny vokatra Fresh hoy hatrany izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Ho an’ny tarika AmbondronA manokana moa dia anisan’ny hanomezana aina ny fampisehoana mandritra izany ireo karazan-kira nahafantarana azy sy hankafizin’ny mpanjifa rehetra hatramin’izay. Am-polony ireo hira hoventsoiny raha toraka izay ihany koa ny an’ny groupe Zay.
Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volley-ball Tompondakan'i Madagasikara Fantatra ireo hanao manasa-dalana
26-mai-2023

Tafahoana any Toamasina ireo klioba matanjaka eo amin'ny sokajy N1 lahy sy vavy. Fantatra omaly hariva ireo ekipa vehivavy hiatrika ny manasa-dalana anio.

Card image cap
Pro League Playoffs Mbola tsy very fanantenana ny Disciples
26-mai-2023

Mila manono baolina roa mba ho sahala dia hita avy ny tohiny. Izay no finoan',ireo mpanohana ny Disciples FC mipetraka any Betafo.

Card image cap
RIM Ho sarotra ny fandidiana
26-mai-2023

Efa any amin'ny Rallye International de Madagascar ny mason'ny rehetra. Asa aloha na dia hisy vahiny ho avy araka ny anarany fa ny azo antoka dia tena hiady mafy ny lalao amin'ireo andro ireo.

Card image cap
Mpanazatra Barea A Mety tsy ho raikitra indray Fabiano Costa !
25-mai-2023

Efa nanaiky hitondra ny Barea A i Fabiano Costa na dia somary nananosarotra aza.

Card image cap
Rugby - Amboaran'i Afrika Nandresy ny Makis vehivavy
25-mai-2023

Nivoaka ho mpandresy ny Makis vehivavy tetsy Andohatapenaka raha nihaona tamin'ny Kamerona.

Voir plus