airtel

Sport

13-avril-2023

Sport

Pro League Lasa ny CFFA sy Elgeco

Sample post image

Nandresy tsy niady ny 3FB Toliara ny CFFA omaly satria dia tsy tonga ilay mpifanandrina aminy. Ary raha izao no fandehany izao dia tsy ho avy hiatrika ny Elgeco Plus ihany koa ny 3FB.

13-avril-2023

Ary tsy misy azo hatao fa dia mivarina kilasy izany ny 3FB satria na hitaraina aza mbola i Tota ihany no sady filohan'ny CFFA no Filohan'ny Ligy Analamanga no mbola filohan'ny Pro League. Hany herin'ny mpanohana ny Toliara maneho ny alahelony mikasika ity toe-javatra ity. "Tsisy hamenara sasy raha toy", hoy ny kiaka an'ity mipetraka ao Tsianaloka. Ny CFFA sy ny Elgeco Plus izay mbola nandresy 2 noho 1 ny JET Kintana omaly tao antokotaniny izany no tafita hiatrika ny playoffs. Mbola mila mandresy anefa ny CFFA amin'ny alahady mba hijanona amin'ny laharana voalohany mba tsy tonga dia midona amin'ny Fosa Juniors sy ry Tsiry. Raha tsy hoe manao ny ataony indray ny.... mpitsara. Ary dia tonga amin'iny fitenin'i Maître Kira izay manao hoe Antananarivo ity maro raha hita.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap