Marihina fa fandresena telo no azony ary ady sahala indray mandeha.. Ny sabotsy izao eny Vontovorona no hihaona ny COSFA sy Mama.Nandresy talin'ny 1 noho 0 ny miaramila tamin'ny lalao mandroso nefa hinoana fa hamaly bontana ny Mama . Mbola ny sabotsy ihany ary amin'ny 2 ora sy sasany toy ny lalao rehetra dia handray ny Fanalamanga kosa CFFA Manatombo isa iray ry zareo Moramanga sady tsara fiarovantena ka hosahirana ireto olon'i Tota ireto. Raha velona tsara anefa ry Carlos sy Lalaina dia tena hiady ny lalao Ny alahady indray eo amin'ny By Pass no handray ny Ajesaia ny Elgeco Plus Nosaraka tsy nisy naratra 2 noho 2 ny lalao mandroso ka mbola tokony hifampitana ny roa tonta. Ny indro kely dia ny tsy maha eto antoerana an'i Nina nefa asa raha misy hifandraisany ny nanemorana herinandro ny lalao miverina fa tokony ho mailo ihany ny Ajesaia. Farany dia ny lalao hihaonan'ny Fosa Juniors sy ny Disciples FC any Mahajanga. Efa nandresy 3 noho 1 ny Fosa sady mbola milalao ao an-tokontaniny ka hosarotra ihany ny miandry an'i Tendry sy ny namany . Asa anefa aloha sao dia efa tonga aty ilay antsoin'ny Espagne hoe remontada.Enga anie, hoy Mamisoa Razafindrakoto mpanazatran'ny Disciples .
Clément RABARY
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,