ho avy izao ny Rallye Jovena. Andiany faha-8 ny amin'ity, karakarain'ny klioba ASACM. Fiara miisa 36 no hifaninana amin'ny halaviran-dalana mirefy 216,28 Km izay ahitana sedra manokana miisa 14 mitontaly 103,08 Km ka tanterahina amin'ny andro alina ny 02 amin'ireo. Dingana faharoa amin'ny fiadiana ny Tompondakan'i Madagasikara amin'ny fifaninanana fanamoriana fiarakodia izy ity. Maromaro ireo mpanamory kalaza sy efa tompondaka izay mambra ny klioba ASACM mpikarakara mifaninana amin'ity Rallye Jovena ity toa an-dry Mathieu izay nandrombaka nandrombaka ny Rallye Motul farany teo tamin'ny fiara Subaru ; Olivier — Ny Anjara hitondra fiara Mitsubishi Evo X Motul - ID Rental ; Tahina, tompondaka 2016 hiaraka amin'i Fitia, zanany vavimatoa, mpanamory mpanampy. Hitondra fiara Subaru Vidy Varotra izy ireo. Etsy amin'ny Amoronakon'Akona ny fiaingana sy fahatongavan'ireo mpifaninana.
Jean D.
Santionany amin'ireo fiara hifaninana amin'ny Rallye Jovena
mety manao fifidianana, tsy nahazo fankatoavana iraisampirenena…»