airtel

Sport

28-juil-2026

Rayan Raveloson

Ao anatin’ny tanjany tanteraka

Sample post image

Ao anatin’ny tanjany tanteraka

28-juil-2026

amin’izao fotoana izao ilay irakiraka afovoany malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra, Rayan Raveloson, raha ny hita tamin’ny fanomanàn-tena niarahany tamin’ny kliobany vaovao dia ilay klioba divizionina voalohany ao Torkia, Amed SK, izany. Klioba izay heverina ho manana ny maha izy azy ao an-toerana izy ity satria dia mitana ny laharana faharoa hatreto eo amin’ny fifaninanam-pirenena ao an-toerana. Hirariana, araka izany, ny hahazoan’ity kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea ity fotoam-pilalaovana betsaka lavitra noho izay azony tao amin’ny Young boys, izay klioba nilalaovany farany tatsy Suisse. 29 taona ankehitriny i Rayan ary mirefy 1,82 metatra. Efa tsy nahazo lalao intsony izy niaraka tamin’ity kliobany teo aloha ity raha namarana ny taom-pilalaovany tao. Irariana sy heverina ho azo antenaina kosa ny hahazoany lalao maromaro miaraka amin’izao kliobany vaovao izao, raha ny vitrika hita amin-dralehilahy tamin’ny fampitàm-baovao voaray omaly aloha.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique