airtel

Sport

22-janv-2021

Sport

Rayan Raveloson Mitombo hery hatrany

Sample post image

Mitombo hery hatrany ary hita ho miezaka mametraka ny maha izy azy ao anatin’ny ekipany dia ny Estac Troyes,

22-janv-2021

 

 

 

 

divizionina faharoa Frantsay, ilay kintan’ny baolina kitra Malagasy, Rayan Raveloson. Tsy vitan’ny hoe namiratra fotsiny fa tena tsikaritra ho niha nahazo fahafinaretana isaky ny maharay baolina eny am-pela-tongony ity andrin’ny afovoanin’ny kianjan’ny ekipam-pirenena Malagasy ity. Azo antenaina ho lasa lavitra ny tenany satria dia vao avy nandray ny faha 24 taonany ny 16 janoary teo ary efa hadiva hiakatra ny “ligue 1” tsy ho ela intsony koa ny ekipany raha ny vokatra hatreto na dia lavon’ny AJ Auxerre tamin’ny isa tokana 1 noho 0 aza ny alin’ny 20 janoary teo. Lalao izay natao tany Auxerre moa ity farany ity ary azo lazaina ho vintana ihany no nandresen-drizareo Auxerrois na dia tao an-taniny aza satria dia nanindry hatramin’ny farany ny Troyes saingy tsy androny moa.

J. Mirija

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap