airtel

Sport

24-mai-2024

Rehefa nihazohazo nandritry ny 9 volana

Vita ihany ny famindrana an’i Berajo

Sample post image

8 andro izay ilay vodilaharan’ny Jet Kintana, divizionina voalohany eto Madagasikara eo amin’ny

24-mai-2024

taranja baolina kitra, Rajo Razafindrabe na Berajo, no tonga tany La Reunion rehefa nikatso nandritry ny 9 volana. Tena lava izay fotoana niandrasana izay, hoy ity mpilalao malagasy ity. Tena faly aho, hoy izy, fa tonga ihany ankehitriny. Somary mafimafy ny niainana nandritry ny volana vitsivitsy talohan'ny nahatongavako taty, hoy ihany i Berajo. Tena efa nahatratra iray taona izay no nifandraisana tamin'i Berajo fa navelanay hiteny izay hiteny, hoy kosa ny klioban’ny Saint Denis FC ao La Reunion, izay klioba nifindran’i Berajo. Maro no niheritreritra hoe efa votsotra ny momba an'iny, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana omaly. Izahay kosa anefa dia tsy nilavo lefona hatrany fa nanohy ny ezaka rehefa mba nahafahany ho tonga taty ankehitriny. Tena navesatra ny fikarakarana ny fivoahan'i Berajo tao Madagasikara. Hisaorana ireo rehetra izay niasa tao ambadika ka mba nahafahan'i Berajo ho tonga teto, hoy hatrany ny filohan’ny Saint Denis FC. Anisan'ny hita tonga naka an'i Berajo teny amin'ny seranam-piaramanidina moa i Tsito Razafindrasata, izay mpilalao malagasy ao amin'ny St Denis FC ihany koa . Nampahafantarina omaly ary fa dia vita ihany izany ny famindrana an’i Berajo hilalao amin’izay ao amin’ity klioba ity rehefa nihazohazo nandritr’izay 9 volana tsy nananany klioba izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap