Resy fanindroany indray mantsy ny solontena Malagasy ny andron’ny omaly. Niondrika 53-84 isika nanoloana ny Ferroviario Da Beira avy any Mozambique omaly, raha toa ka efa lavo 59-71 nanoloana an’I City Oilers avy any Ouganda ny talata teo. Ho an’ny lalao omaly izay nandresen’ny Mozambikanina 35-84 dia nitarika hatrany izy ireo 8-23; 23-54; 36-67, ary io 53-84 io no nisarahana. Somary nanana lesoka tamin’ny fiarovana isika, ary nandamoaka ihany koa ny ankamaroan’ireo tifitra tao anatin’ny faritry ny 6,75m satria 14 tamin’ny 39 ihany no tafiditra izay nanome 35% rah any tatitra. Ny 9% tamin’ny andrana isa 3 kosa no tafiditra. Mitazona ny laharana farany ao amin’ny Vondrona B isika hatreto taorian’ny faharesena fanindroany. Hiatrika ary hikendry fandresena kosa anio amin’ny 12ora sy sasany ora Malagasy, izay hifandona amin’ny Matero Magic avy any Zambie. Efa naman’ny raraka tsy afaka hiatrika ny dingana famaranan’ny BAL anefa isika, saingy heverina fa nahazoantsika naka sy nanovo traikefa ity dingana atao any Afrika Atsimo ity.
Toky R
Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka
Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs
Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao