Mbola mpilalao tany Fianarantsoa tao amin'ny Akon'Ambatomena izy no nalain'i Raglady no Claude Ravelomanantsoa ho ao amin'ny FC BFV. Ity FC BFV izay notarihin'i Annette Mboty ity no tafakatra hiady ny manasa-dalana teo amin'ny amboaran'i Afrika ary io Mouloudia izay nandray an'i Rakool io no resiny 3 noho 1 tao Alger. Teo amin'ny ekipa notantanany indray dia efa nitondra ny ekipa voafantin'Analamanga U20 ny taona 2002 i Roro ary isany tao i Faneva Ima. Raha hijanona amin'izay ekipa voafantina izay dia nitondra ny Barea tamin'ny Lalaon'ny Nosy tatsy Maorisy koa izy ary tsy resy fa voa teo amin'ny antsapaka. Marihiny anefa fa ekipa fahatelo ity noentiny ity fa nanao lalao hafa ny Barea zokiny ary ireo tsaratsara teto an-tanàna dia nanao Cosafa isany koa. Teo ihany koa ny klioba no nametraka tantara izy ka nandrombahan'ny AS Adema ny tompondakan'i Madagasikara. Rava noho ny resaka ara-bola anefa ny ekipan'Ivato dia lasa tany Farafangana indray i Roro. Tongany hatrany amin'ny efatra sangany indrindra tao amin’ny Pro League ry Stephano sy ny namany. Tsy kisendrasendra anefa ireo zava-bitany ireo fa tena nianatra izy : manana ny Licence A CAF i Roro Rakotondrabe ary mbola nandalina tany amin'ny klioba malaza tany Frantsa. Tao Brest, Toulouse Ary Guingamp ny tovolahy ary dia naka traikefa tamin'i Pascal Dupraz sy Antoine Kombouaré izay efa mpanazatra ny PSG. Raha izay lalana nodiaviny izay no jerena dia mety ho lasa lavitra izy indrindra moa, hoy ihany izy fa manampy azy ny Filoha Andry Rajoelina izay tena hisaorany satria ankoatry ny fampitaovana arahina tosika fameno dia mbola ny filoham-pirenena koa no niantoka ny fanomanana tany Tonizia mialohan'ny lalao tany Constantine. Mazava amin'i Roro fa mana-talenta ny Malagasy fa mila fanampiana amin'ny sehatra avo toy izao CHAN izao.
Clément RABARY
Tonga eo amin'ny tsotsorimamba hisaraha ireo ekipa hanao ny manasa-dalana eo amin'ny Orange Pro League. Ho hafa kely ity indray mitoraka ity satria ireo niraivondrona tany Avaratra no hifanasa vangy.
Mandray anjara amin'ny Amboara Billie Jean King any Lesotho ny mpanao tennis vehivavy.. Ao amin'ny Vondrona faha IV
Lasa tena resabe ilay lisitra navoakan'i Roro. Midika izany fa tena betsaka mpanaraka sy mpankafia hatreto ny Barea na dia efa tapi-dalan-kaleha aza taorianan'iny fandresena indroa nanoloana ny Centrafrique iny .
Taorian’ny faharesena an-jaridaina ny alin’ny sabotsy teo tamin’ny isa mazava 1 noho 3 dia rava hatreo ny fanantenan-dry Rayan Raveloson sy ny namany ao amin’ny A.J.