airtel

Sport

15-juin-2026

Rugby-Africa

Men’s Sevens 2026 Nahemotra noho ny

Sample post image

fiparitahan'ny aretina Ebola

15-juin-2026

Ebola Ahemotra ho amin'ny daty manaraka izay tsy mbola voafaritra ny Rugby Africa Men's Sevens Tournament, fifaninanana kaontinantaly amin'ny taranja rugby lalaovin'olona fito, izay nokasaina hatao atsy amin'ny Nosy Maorisy ny 20 sy 21 Jona 2026, araka ny fanambarana nataon'ny Rugby Africa. Misy ahiahy ara-pahasalamana mifandraika amin'ny fiparitahan'ny aretina Ebola any amin'ny faritra sasany eto Afrika araka ny fampahafantarana nataon'ny sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana na OMS sy ny torohevitra avy amin'ny manampahefana ao amin'ny Nosy Maorisy, ka nandraisana io fanapahan-kevitra io. Narahan'ny fahamafisiana fa ny fiarovana sy ny fahasalaman'ireo mpandray anjara rehetra no laharam-pahamehana. Efa miara-miasa ny Mauritius Rugby Union sy ny World Rugby ary ny Rugby Africa amin'ny fitadiavana daty vaovao. Miisa 12 ireo firenena hifaninana amin'ity Africa Men’s Sevens 2026 nozaraina vondrona telo, izay ahitana ekipam-pirenena efatra avy. Ao anaty Vondrona B no misy an'i Madagasikara miaraka amin'i Sénégal, Ghana ary Tonizia. Mitohy manao fanomanan-tena ny Makis eo ampiandrasana ny tetiandro vaovao
Jean D.
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

CFFA handray ny Lijabatho FC,

Card image cap
06-août-2026

Nandresy tamin'ny mokafoy 68-65

Card image cap