airtel

Sport

03-mai-2022

Sport

Rugby-Ekipam-pirenena vehivavy Tafita amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany

Sample post image

Nanoratra tantara indray ny rugby Malagasy. Tafita any amin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany ny ekipam-pirenena sokajy vehivavy,

03-mai-2022

taorian’ny vokatra tsara azontsika tany amin’ny Africa rugby women’s sevens 2022 notanterahina tany Tunisie ny 29-30 aprily lasa teo. Ranomasom-pifaliana no nandraisan’ireo mpilalaontsika ny fahatafitana amin’ny fiadiana ny Tompondaka eran-tany hatao any Afrika Atsimo ny 9-11 septambra 2022 izao. Laharana faharoa no nisy an’i Madagasikara izay resin’ny Afrikanina Tatsimo tamin’ny moka fohy 14-15, kanefa efa nitarika tamin’ny isa 14-5 isika. Na izany aza, tsy mena-mitahy ny vokatra azontsika, izay nandravarava hatrany am-piandohan’ny fifaninana satria lavontsika 29-05 ny Ganeanina tamin’ny andro voalohany, resintsika 07-05 ny Tonizianina mpampiantrano, izay iray vondrona tamintsika. Nandavo 14-10 an’i Zambie tamin’ny ampahefa-dàlana. Nandraraka an’i Uganda 17-12 tamin’ny manasa-dàlana, ary tany amin’ny famaranana isika vao lavon’ny Afrikanina Tatsimo. Na resy tamin’ny famaranana aza, nampitolagaga ny rehetra ny fahaiza-manaon’ny Malagasy, ary niteny ho azy ny isa azo, fa voan’i Afrika Atsimo tany amin’ny lazon’ady. Ry zareo moa no hampiantrano ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany io, hatao ao Cape Town. Irariana hatrany ny hahombiazan’ny ekipam-pirenena Malagasy.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap