airtel

Sport

08-oct-2026

RUGBY MALAGASY

Ho lasa sehatra goavana

Sample post image

ho an’ny fitaizana sy fanabeazana

08-oct-2026

125 taona izao no nahatongavan’ny Rugby na ny taranja baolina lavalava teto Madagasikara, 120 taona no nanombohan’ny fifaninanana ofisialy teto amintsika ary 66 taona no nijoroan’ny federasionin’ny Rugby Malagasy. Vanim-potoana manan-danja ho firenena satria tsy nitsahatry ny nampiakatra ny lentan’ity Rugby Malagasy sy nitondra avo ny voninahim-pirenena ireo rehetra misehatra ao anatin’izany tontolo izany. Efa nihaona tamin’i France sy Italie ohatra ny ekipam-pirenena Malagasy, in-droa niatrika fiadiana ny amboara eran-tany Rugby lalaovin’olona 7 ny zazalahy malagasy. Handray anjara amin’ny « jeux olympiques de la jeunesse » (U18) ho tanterahana any Dakar Sénégal ny 31 oktobra ka hatramin’ny 13 novambra 2026 ho avy izao ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy amin’ny Rugby lalaovin’olona 7.
FANATANJAHANTENA SY FANABEAZANA
Ho fanohizana ny fampandrosoana ny tontolon’ny rugby dia hitondra ny fanohanany sy ny traikefany ho an’ny federasionina Malagasy ny Rugby ny eo anivon’ny ACTIVA Communication izay hivondronan’ny Gazety Tia Tanindrazana, JEJOO ary Top Radio. Fiaraha-miasa izay efa nisy saingy nohamafisina tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia, tetsy Ankorondrano ny alarobia 07 oktobra 2026. Serasera mitaiza no sady manabe (communication éducative) no atao. Izay no hifantohan’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ACTIVA Communication Andriamboahangy Rakotoarimalala . Zava-dehibe ity fiaraha-miasa ity satria mijery lavitra amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny Rugby, hoy Atoa Rakotomalala Marcel Joseph filohan’ny Federasion’ny Rugby. Betsaka ireo fandresena sy amboara norombohan’ny ekipa Malagasy hoy kosa ny tompon’andraikitra teo anivon’ny « ACTIVA Communication » ary manana ny lentan’ireo mpilalao ka mila omena ny toerana mendrika azy ireo ao anatin’ity tontolo ity. A ENCADRER Voalohany hatrany aty Afrika i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny lafiny tekinika amin’ny alalan’ny fanofanana sy fitsinjovana ny tanora raha ny taranja Rugby no resahana. Nahazoana Award ny taona 2019 (Meilleur programme de formation).
LALAINA RAV sy SOLOTIANA
 

Dans la même rubrique