airtel

Sport

14-mars-2022

Sport

Rugby Malagasy “Miha tsara hatrany isan-taona ny taninketsa”

Sample post image

Mivoatra miha tsara foana isan-taona ny tontolon’ireo katitakely taninketsan’ny Rugby Malagasy miofana eo anivon’ny EREV na “Ecole de rugby, école de la vie” eto Madagasikara,

14-mars-2022

 hoy ny filohany, Bruno Ratsimbazafy, nandritry ny fijerena izany tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny sabotsy teo. Na ho anay mpikarakara na dia tsy afa-milaza aza izahay hoe tonga lafatra, na ho an’ireo ankizy, na ho an’ireo mpanabe, hoy izy. Tomban’ezaka nataon’ireo ankizy sy mpampiofana nandritry ny taona ny toy izao. Mihaona fara fahakeliny isan-kerinandro ireo. Na io mpamatsy vola anay io aza mahazo fahafinaretana mihitsy isaky ny mankaty. Izy moa no Pierre Lachaud, izay filohan’ny fikambanam-ben’ny mpanao asa soa SICAM. Ny SICAM moa dia orinasa isan’ny lehibe indrindra eo amin’ny lafiny herinaratra eto amin’izao tontolo izao. Afa-po foana izy mijery ary nilaza hoe raha tsy mahafinaritra ahy ny zavatra hitako tsy mankaty aho satria raha ny tena marina tokony tsy hanam-potoana ankanesana aty aho. Miodinkodina eo amin’ny 2500 isa eo foana ny ankizy raisinay, izay manomboka amin’ny sokajy “Poussin” hatramin’ny “cadet”, izany hoe 5 hatramin’ny 16 taona. Hatramin’ny taona 1992 nitsanganan’ny EREV izay dia saika avy ato daholo ny 90%n’ireo mpilalao teo anivon’ny ekipam-pirenena na “Makis de Madagascar”. Miisa 27 moa ireo ivon-toeram-pitaizana anatin’ny EREV, hoy hatrany ny fampahatsiahivana sy fanazavana, ary fanamby lehibe tiana hapetraka foana ny hamolavola tompondaka aty afrika aloha.
J. Mirija
Legende: Nafana ny ambiansy teny Andohatapenaka teny ny sabotsy teo
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Efa any Serbia ny Ankoay 3x3 manomana ny fiadiana toerana ho any amin'ny Lalao Olimpika any Paris

Card image cap
03-mai-2024

Hatramin’ny 1 may teo no efa heno fa voasazy tsy afaka milalao baolina kitra mandritry ny 2 taona i Rajomazandry Andrinirina na i Joma,

Card image cap
02-mai-2024

Mafy, tena mafy ity Miotisoa Rasendra ity raha samy junior ihany.

Card image cap