airtel

Sport

27-sept-2023

Rugby Top 20

Tonga amin'ny tsotsorimamba hisarahana

Sample post image

Andron'ny lavalava ny alahady ho avy izao etsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka.

27-sept-2023

Hotontosaina amin’io andro io mantsy ny ankatoky ny famaranana ny Top 20. Mazava ho azy fa raha tsy nisy fahagagana hatreto dia ireo sangany no hifandona. Hanokatra ny lalao amin’ny 1ora àry ny FTM Manjakaray sy ny USCAR. Raha tompondaka farany ny Manjakaray ary mbola ho sokajina hitazona izany anaram-boninahitra izany dia tsy azo tsinotsiniavina ry zareo Kaominin'Antananarivo Renivohitra izay nanatevina ireo mpilalao. Tsy fantatra aloha raha efa miditra fifidianana ilay politika fa dia misy tonga ireo "Gros Bras" manatevina ity ekipa izay mbola maro mpanohana ihany koa. Ny lalao faharoa amin'ny 3ora dia adin'ny sokina efa mifankahita satria dia ny COSFA no hidona amin'ny 3FB izay niverina nahazo hery kely tato ho ato rehefa nataon'ny olona lalana rehefa tsy nilalao intsony ireo andrarezina toa an'i José. Na izany aza efa miatrana am-bava basy koa ny miarimila satria dia tsy misy indrafo io fa baiko midina. Io fandresena sy fahazoana ny Top 20 no mitondra ireto miaramila makany La Réunion mba miova kely amin'ilay mipetraka anaty kamio etsy Soarano rehefa misy korontana. Hamono tena ireto COSFA ireto noho izany. Mba marina moa !
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap