airtel

Sport

22-avril-2024

Rugby vehivavy

Hiatrika ady goavana ny Makis

Sample post image

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

22-avril-2024

izao mantsy hoe tena hatraiza ny herin'ireto vehivavy malagasy ireto satria dia hifanena amin'ny andrarezina telo eto Afrika. Fanamby goavana hatreto no haoetraky ny mpanazatra Alain Rabdriamihaja satria mino sy manantena izy fa hanohanana tsy misy fepetra ny mpitia rugby etsy amin'ny kianja Makis. Tsy mora anefa ny miandry ireto Ladies Makis ireto na dia mikotrana intelo isan’andro aza. Ny Kenya mantsy no hidona voalohany amin'ireo nefa raha tsiahivina ny tantara dia efa nandresy ny Makis ireo tamin'ny taon-dasa. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe hanova zavatra ve ny nampidirana mpilalao vaovao sady tanora amin'ireto Makis ireto ? Miandrandra izany mantsy ny rehetra satria ny vokatra tsara ho azo dia mitondra any amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Ny 8 may indray no hihaona amin'ny Kameronezy ny Makis ary inoana fa efa mety hafahafa ny sary indrindra raha nahavita nandresy ny Kenya. Ilaina mantsy ireo fandresena indroa ireo alohan'ny hiatrika ny tena ady manoloana an'i Afrika Atsimo izay tompondakan'i Afrika. Tena ho sarotra ity farany ity saingy araky ny tenin'ny filohan'ny Malagasy Rugby, Marcel Rakotomalala dia efa natao ny ezaka rehetra mba ahatonga ireto Makis vehivavy ireto tena ao anaty heriny tsara. Miandrandra fanampiana amin'ny fanjakana ihany koa anefa ny Malagasy Rugby satria tsy vitan'ny baolina fotsiny io fa mila tohanana amin'ny lafiny rehetra koa ireto vehivavy ireto. Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Efa any Serbia ny Ankoay 3x3 manomana ny fiadiana toerana ho any amin'ny Lalao Olimpika any Paris

Card image cap
03-mai-2024

Hatramin’ny 1 may teo no efa heno fa voasazy tsy afaka milalao baolina kitra mandritry ny 2 taona i Rajomazandry Andrinirina na i Joma,

Card image cap
02-mai-2024

Mafy, tena mafy ity Miotisoa Rasendra ity raha samy junior ihany.

Card image cap