taorian’ny fanamontsanany an’i Tunisie tamin’ny isa mavesatra 27-5 ny sabotsy teo tao amin’ny kianja El Menzah rugby Stadium any Tunis, raha toa ka efa nandresy an’i Sénégal 34-25 ihany koa ry Fenitriniaina Hanta sy ny ekipany tamin’ny lalao voalohany ny alarobia lasa teo. Nivoaha ho laharana voalohany tao anatin’ny fifanintsanan’ny Vondrona C noho izany isika, ka nahazo ny tapakila hiatrehana ny lalao manasa-dàlana hiatrehana ny lalao manasa-dàlana izay hatao any Afrika Atsimo satria izay voalohany ao anatin’ireo Vondrona miisa efatra no tafita amin’izany. Nody ventiny izany ny rano natsakaina ho an’ny Ladies Makis nandritra ny fifaninanana savaranonando tany Tunisie ny 14-22 oktobra, ary andrasana ny dingana manaraka any Afrika Atsimo.
Toky R
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,