airtel

Sport

02-sept-2021

Sport

Samuel Eto’o “Manohana ny Barea aho matoa tonga eto”

Sample post image

Mialohan’ny lalao lehibe hifanandrinan’I Madagasikara sy Bénin anio amin’ny 7ora hariva, dia hotontosaina mialoha io amin’ny 2ora tolakandro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Kianja Barea Mahamasina,

02-sept-2021

 taorian’ny fanavaozana azy. Hanome voninahitra izany ilay kintan’ny baolina kitra Camerounais Samuel Eto’o. Ity farany izay tonga teny Ivato omaly tamin’ny 2ora sy 5minitra nentina fiaramanidina manokana na “jet privé”. Ny sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika Atoa Valery Monjavelo sy ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Federaly Rtoa Rosa Rakotozafy no nitarika ny delegasionina nitsena azy teny Ivato. Naneho ny hafaliany amin’ny fahatongavany eto Madagasikara indray I Samuel Eto’o taorian’ny tamin’ny novambra 2019, niaraka tamin’ny Filohan’ny FIFA sy ny Filohan’ny CAF. Ny fahatongavako eto dia efa midika fa fanohanako ny Barea, hoy ity mpilalao ity, izay nirary fahombiazana ho an’ny ekipam-pirenena, nidera sy faly tamin’ny fahavitan’ny kianja ihany koa.Nitsidika ny kianja Barea moa omaly hariva i samuel Eto’o. Hanatrika ny lalaon’I Madagasikara sy Bénin ny tenany mazava ho azy. Raha ny nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, dia tamin’ny 2019 no efa nampanantena ity mpilalao efa nibata ny “ballon d’or” Afrikanina ity, fa ho avy hanome voninahitra ny fitokanana kianja rehefa vita ny fanavaozana. Ny sabotsy 4 septambra izao moa vao tena handeha ny fanokanana amin’ny fomba ofisialy taorian’ny olana sy disadisa maro. Niantsoana mpanakanto maro io, ary hisy ihany koa ny afomanga hamaranana izany.


Tsy mitsitsy vola ny mpitondra ankehitriny amin’ity lanonana ity satria raha ny loharanom-baovao azo, dia misy amin’ireo mpanakanto no mahatratra hatrany amin’ny 6 tapitrisa Ariary ny karaman’ny tarika iray mba hanafana ny lanonana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap