fifindran’i Sandro Tremolet any amin’ny Gaziantep FK, klioba divizionina voalohany any Torkia eo amin'ny taranja baolina kitra, raha ny fampitam-baovao voaray. Efa nifanaraka tamin’ilay mpilalao ny klioba Tiorka saingy nahazo tolotra hafa ilay mpiaro malagasy ka nampiakatra ny fepetra nangatahiny. Tsy nahitàna marimaritra iraisana teo amin’ny roa tonta ka natsahatra ny fifampiraharahana ary tsy tanteraka intsony ny fifindràna, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Tsiahivina fa ny klioba serba, Radnik Surdilica, no nilalaovan'ity rindrim-be malagasy mirefy 1,90 metatra, 26 taona ity, nialohan'izao tolotra samihafa izao. Nandà ny hilalao any Torkia, araka izany, ny tenany noho ny fisiana tolotra mahaliana azy kokoa avy amina klioba hafa, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija