ho an’ny fifaninana famoronana sary famantarana na «logo» «Indian Ocean U15 Festival soutenu par FIFA Forward» tamin’ny fomba ofisialy omaly. Randriamihaja Aina Ken Johan no nandresy ary nandray ny sorabola 500.000 Ariary natolotry ny filohan’ny FMF, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ny «logo» novolavolainy dia maneho tanteraka ny toetsain’ity hetsika ity, hoy ny fanazavana. Manasongadina ny tanora, ny fahasamihafana ary ny maha izy azy manokana ny faritra ranomasimbe Indiana. Hetsika voalohany mampivondrona ireo tanora latsaky ny 15 taona, lahy sy vavy, ao amin’ny faritra ranomasimbe Indiana ny «Indian Ocean U15 Festival soutenu par FIFA Forward». Io no hetsika voalohany karakarain’ny FMF eto Madagasikara, izay tohanan’ny FIFA, ary hotanterahina ny 16 ka hatramin’ny 22 desambra 2024. Mandray anjara amin’ity hetsika ity ny ekipa nasionaly U 15 na latsaky ny 15 taona avy amin’ny firenena miisa 4 dia i Madagasikara, Kaomoro, Seysely, Maorisy. Ao anatin’ny toetsaina firahalahiana sy fifanakalozana no hifaninanany, maneho ny firaisankina eo amin’ireo firenena ao amin’ny ranomasimbe indianina. Ny hetsika dia hatao ao amin’ny kianja Elgeco Plus ao By Pass sy ny «Stade Annexe» Barea ao Mahamasina eto Antananarivo, hoy hatrany ny FMF.
J. Mirija
Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)
Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe
Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’
Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,