airtel

Sport

27-mars-2023

Sport

Semi marathon Nanjakan'i Fulgence

Sample post image

Tsy nisy dinika fa dia lasan'i Fulgence Rakotonirina indray ny fiadiana ny ho tompon-dakan'ny semi marathon notontosaina omaly maraina teto Antananarivo.

27-mars-2023

Raha izao no fandehany dia mbola tsara toerana ity mpitarika posy avy any Antsirabe ity amin'ny Lalaon'ny Nosy ho avy io. Mety hanao poa-droa aza isika malagasy satria tonga masiaka koa i Jean Claude Rakotonirina izay samy avy amin'ny Crown Athletics Club Antsirabe. Raha 1ora sy 7 mn sy 54 segondra no fotoana nahavitan'i Fulgence dia 1 ora 8 mn 21 segondra kosa ny an'i Jean Claude .Ny hazo no vanon-ko lakana hono ny tany naniriany no tsara satria dia fantatra fa ilay Tale Teknika Nasionaly taloha, Tsiry Rakotomalala no mznzeatra azy ireo Raha nisy kely aza dia niakatra lapihazo koa i Sarah izay mbola Crown koa saingy nojanona fahaefatra izy toe amin'ny vehivavy fa Nanie avy amin'ny Fanalamanga no voalohany ary Oliva COSPN no faharoa.
Legende : Ny lapihazo teo amin'ny lehilahy nahitana an'i Jean Claude, Fulgence ary Mampitraotse, avy any havia miankavanana
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap