airtel

Sport

01-avril-2022

Sport

Solontenan'ny FMF any Qatar Ny ekipan-dRaoul no nantsoin’ny FIFA

Sample post image

Manatrika ny Kongresin’ny Federasionina Iraisam-pirenena ho an’ny taranja baolina kitra na ny FIFA tanterahina any Qatar amin'izao Atoa Victorien Andrianony Filoha lefitra voaloan’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja baolina

01-avril-2022

 kitra (FMF) sy Rtoa Ranja Mahatovo Sekretera Jeneralin’ny FMF. Avy amin’ny elatra Arizaka Rabekoto Raoul izy ireo, nomeny ny fahefana taorian’ny tsy fandosirany an’i Madagasikara noho ny fanenjehana ataon’ny Fanjakana ankehitriny tamin’ny raharaha fitantanana ny CNaPS fony izy Tale Jeneraly. Toa midika io, fa mazava ny fomba fijerin’ny FIFA mahakasika ny fitantanana ny baolina kitra Malagasy. Efa nisy ny fifanonganana tao anatin’ny FMF, fifampitoriana teny amin’ny fitsarana,… Eny tonga hatramin’ny famoahan’ny elatry ny FMF tarihin’Atoa Alfred Andriamanampisoa antso amin’ny fitadiavana mpanazatra ho an’ny ekipam-pirenena. Nolazain’ireo fa hisy ny lalao firahalahiana hataon’ny ekipam-pirenena tamin’ny faramparan’ny volana martsa, izay telo raha kely saingy tsy nisy tanteraka, raha tsy hilaza afatsy ny saika hifampitsapana tamin’i Afghanistan, Togo,... Toa endrika maneho, fa filalaovana sain’ny mpitia kitra, saingy tsy ho raikitra noho ny resaka olana ara-pitantanana. Etsy an-daniny, ny volana jona izao etsy andaniny no hiatrika indray ny fifanintsanan’ny CAN 2023 ny Barean’i Madagasikara, saingy tsy misy tokontaniny momba izany. Tetsy ankilany nanao fivoriam-be teny Mahamasina kosa ny ekipa tarihin’Atoa Alfred Andriamanampisoa omaly alakamisy. Efa fantatra izao ny mpitantana heverina ankatoavin’ny FIFA hisolotena ny FMF eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka havela hanao ny asany sa handeha indray ny gafy sy fitsabahana? Ny ekipam-pirenena ve no hatao sorona noho ny lonilony?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap