eo amin’ny taranja baolina kitra dia naneho fa tena mailo ny mpanazatra azy ireo, Stefano Cusin, raha hihaona amin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ny 7 jona izao. Ekipa tena sarotra no sady be traikefa, hoy ity mpanazatra ity, ny malagasy. Mafy eo afovoanin’ny kianja io ekipa io ary tena tsy mendrika ny ho resy mihitsy nanoloana an’i Ghana. Zava-doza amin’ny fotoana rehetra ity ekipa ity. Manana herin-tsaina, mpiady ary tsy mamela-mahazo. Izany rehetra izany, hoy hatrany ity mpanazatra ity, no hanomananay fatratra ary maro ireo horonantsary ezahana fakafakaina hanomanana ny paikady hahafahana mandresy ireto malagasy ireto.
J. Mirija
Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy