airtel

Sport

04-avril-2023

Sport

Taekwondo Efa niditra fampivondronana sahady

Sample post image

Vonona hanatratra izay fara heriny ny taekwondo malagasy raha araky ny filazan'ny filohan'ny federasiona Christian Ramanantsoa.

04-avril-2023

Narahiny asa avy hatrany izany satria dia efa nanomboka ny fampivondronana sahady izy ho fanomanana ny Lalaon'ny Nosy. Na dia mbola soavaly miato-bilina aza hatreto noho ny ministeran'ny Fanantanjahantena mitazam-potsiny dia tsy mikely soroka ireo teknisianina mamory mpikatroka 63. Tsy maintsy izay ho izy ireo no navondrona satria dia ny telo voalohany isan-tsokajy nandritry ny fiadiana ny ho tompodakan'i Madagasikara roa farany ireo Ary ao vao tena ady satria iray ihany no solontena any amin'ny Lalaon'ny Nosy amin'ireo sokajy hifaninana. Izany hoe valo lehilahy sy valo vehivavy eo amin'ny ady ary efa-,dahy sy efa-bavy indray any amin'ny poomse. Medaly vokamena 24 izany no hifandrombahana ka tsy tokony hatao tandrevaka raha mba mikatsaka ny ho voalohany amin'ny filaharana ankapombeny isika Malagasy. Saingy tsy tena izay angamba ny tanjona matoa ny fivoariana hatramizao no betsaka eo anivon'ny MJS. Sady mbola ireo mpitarika teo aloha ihany no eo fa toa tsy sahy nanova ekipani Haja Resampa. Asa na mety mbola misy dian-tanan'i Tinoka Roberto angamba ao. Mampieritreritra ...
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap