airtel

Sport

29-juil-2021

Sport

Taranja Baskety Mpanazatra 35 no nahavita fiofanana

Sample post image

Tontosa soamantsara ny fiofanana ho Mpanazatra" Young Coach" eto Analamanga nokarakarain’ny federasionina malagasin’ny basketball na ny FMBB sy ny CEBB ary ny Ligy Basket Analamanga

29-juil-2021

 izay nanomboka ny 20 Jolay hatramin’ny 27 jolay 2021 teo. Nizara roa moa izany fiofanana izany dia ny teoria sy fampiharana, raha ny fanazavana. Miisa 41 ireo mpiofana ka 2 ny vehivavy raha toa ka 39 ny lehilahy. Santatra ambava rano ihany izy ity fa tsy ho latsa-danja ihany koa ny any amin'ny faritra rehetra manerana ny Nosy, hoy ny mpikarakara. Ny 23 jolay teo no tonga nitsidika ireo mpiofana ny filohan'ny federasionina malagasin’ny Basketball, Jean Michel Ramaroson. Tamin'io no nanararaotany nisaorana ireo mpandray anjara rehetra, ny ligy Analamanga ary ny CEBB Mada - Officiel tamin'ny fikarakarana. Nanentana ihany koa ny tenany ho an'ireo mpiofana rehetra mba hiditra sy hitantana ireo klioba ato anaty rafitra federaly mba hahafahana mampiakatra ny lentan'ny Baskety Malagasy. Tontosa omaly moa izay famoahana tamin'ny fomba ofisialy ireo mpanazatra nahavita izay fiofanana "Young Coach" na mpanazatra tanora teto anivon'ny ligy Analamanga izay ka tamin’ireo mpiofana miisa 39 niofana dia ny 35 no afaka raha mamerina fiofanana kosa ny 4.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap