airtel

Sport

07-août-2023

Sport

Taranja Beatbox Tompondaka eran-tany i Malagasy

Sample post image

Voahosotra ho tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja Beatbox na irony talenta famoahana mozika amin’ny alalan’ny vava sy mpiotifeo irony fotsiny ihany ilay mpanakanto malagasy, Do-B.

07-août-2023

Araka izany dia teo amin’ny sokajy “scratch vocal” ny lehilahy no nifaninana ary dia nataon’ny teli-moka tsy nisy nahefa ny azy ny talentan’ireo nifaninana taminy rehetra tao amin’ny kianjan’i Huxleys Neue Welt tao Berlin, Alemanina tao. Ilay frantsay O’Slim no nanao famaranana tamin’ny lehilahy. Hany tokana nisolo tena ny faritra atsimon’i Afrika ny malagasy teto ary dia isak’izay niaka-tsehatra dia notorahan’ny mpijery ny tehaka nirefodrefotra hatrany. Tsy nisy izay tsy nampandihy ny maro an’isa ny gadona nentiny tamin’ny alalan’ny vavany sy ny mpiotifeony na “micro” monja. Nony nandray ny amboara moa izy dia mbola nitoraka fisaorana ho an’ireo mpanotrona rehetra tamin’ny alalan’ny “scratch” nampandihy hatrany ary ny teny hoe "thank you so much" na misaotra be dia be no namaranany izany, hany ka na ny nanoratra ity lahatsoratra ity aza dia mbola hila hampandihy hatrany. Nitombo indray ny reharehan’i Madagasikara ka tsy hay ny tsy ho faly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap