fanampian'ny Governenta japoney ny judo Malagasy, ka nanoezany ny federasiona vola 66019 euros na 258 tapitrisa ariary hampitaovana ny dojo nasionaly amin'ny lafiny rehetra. Tafiditra amin'izany vola be izany ny “tatami” sy ireo fitaovana hikolokoloana vatana. Omaly tetsy amin'ny hotely Le Louvre etsy Antaninarenina no nanaovana ny fanolorana ka nahitana ny Ambasadaoro japoney miasa eto amintsika, SEM Abe Koji sy ny filohan'ny judo eto Afrika Siteny Randrianasoloniaiko. Mbola nitondra vqovao mahafaly ny judo malagasy izay tarihin'I Saïd Bruno Eric ihany koa izy ka nanambara fa hatao eto Antananarivo ny fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika eo amin'ny sokajy Cadets sy Juniors.
Clément RABARY
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,