airtel

Sport

04-août-2022

Sport

Taranja Judo sy fibatana fonjamby Nomena mariboninahitra ireo malagasy tompondaka

Sample post image

Notontosaina tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly 3 aogositra 2022 ny lanonana fanomezana mariboninahitra ireo atleta malagasy sy mpanazatra namiratra nandritra ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika teo

04-août-2022

amin'ny taranja Judo sy fibatana fonjamby. Nandritra izany lanonana izany no nanoloran'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny medaly sy mari-boninahitra "Chevalier de l'Ordre de Mérite de Madagascar" ireto atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto. Manohana hatrany ny fanatanjahan-tena malagasy ny fitondram-panjakana ary namaly avy hatrany ny fangatahan'ny filohan’ny federasionina roa tonta ny filoham-pirenena ka omena toerana mendrika azy ireo taranja roa ireo amin'ny alalan'ny fametrahana "dojo national" manara-penitra. Toerana izay efa entin'ireto atleta ireto hanomana sahady ny lalaon'ny Nosy amin'ny 2023 ary ny lalao olimpika izay hatao any Frantsa amin'ny taona 2024 izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap