airtel

Sport

17-mai-2022

Sport

Taranja Kick Boxing Mangingina ny Malagasy, misongadina ny Maorisianina

Sample post image

Mangingina ny Malagasy, tompon’amboara kosa ny Maorisianina. Izay hatreto no azo hamintinana ny tontolon’ny taranja Kick Boxing aty amin’ny ranomasimbe indianina.

17-mai-2022

Naneho ny hafaliany sy ny fahafaham-pony omaly ry zareo Maorisianina mikasika ny vokatra azony nandritry ny amboara eran-tany na “coupe du monde” natao tany Torkia. Medaly volamena miisa 2, volafotsy 2, alimo 1. Izany rehetra izany no norombahan’i Maorisy raha toa tsy nandray anjara kosa i Madagasikara. Hampiantrano ny lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina ny taona 2023 na JIOI 2023 koa anefa isika. Aiza ho aiza ny fanomanana sa hoe efa antsika ve ny tanana? Samy mpandresy amin’ny traikefa sy fivoarana, hoy hatrany ry zareo Maorisianina omaly, ary dingana hatrehina manaraka indray izao ny tompondaka eran-tany ho an’ny sokajy zandriny na “championnat du monde juniors” atao any Venise, hoy hatrany izy ireo.Tsara ho marihana fa anisan’ireo taranja vaovao nampidirina hifaninanana mandritra ny lalaon’ny nosy 2023 ny Kick Boxing, ary ny Jeneraly Lylison de Réné no filohan’ny federasionina ankehitriny.
J. Mirija
Legende : Miroso ny Maorisianina
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap