airtel

Sport

25-avril-2023

Sport

Taranja Rugby Misy manozongozona i Marcel Rakotomalala

Sample post image

Lany hitantanana ny Malagasy Rugby indray ny faran'ny taona teo ny Filoha Marcel Rakotomalala.

25-avril-2023

Tsy ny hoe lany fanimpiriny no olana fa ny zava-misy aloha dia lany ara-dalana izy ary efa nankatoavin'ny Federasiona iraisam-pirenena Ny mahagaga anefa dia mikononkonona ireo ligy sasany mikasa ny hanongana an'i Marcel Rakotomalala. Ny zava-misy anefa dia tena mivoatra ny rugby eto Madagasikara.Farany teo izao dia tafiakatra ampahaefadalany ny Makis vehivavy tatsy Afrika Atsimo Ary na dia izay ihany aza dia tokony havela hiasa ny Malagasy Rugby. Ary tokony ho izany no hatao ho an'ireo taranja mahazo vokatra Raha mieritreritra ny hanala izany dia tokony ireo taranja tsy mandeha mihitsy ary efa taona maro toy ny ady totohondry sy ny bisikileta raha tsy hiteny afatsy ireo roa ireo aloha Toy ny mpanazatra ihany rehefa tsy misy vokatra dia tokony manaja tena miala. Fahendrena izany fa tsy sanatria fahalemena ary mari-pitiavana an'ilay taranja. Saingy ny eto amintsika toa mifangaro indraindray ka lasa filana dera sisa no manosika hitondra federasiona.Mampieritreritra ihany.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

Card image cap
13-juin-2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Card image cap
12-juin-2025

Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’

Card image cap
12-juin-2025

Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,

Card image cap