Vondrona fahadimy mantsy no misy ny Madagasikara lehilahy ary mieritreritra hiakatra ao amin'ny Vondrona faha 4. Izany no fanamby apetrak'i Dina Razafimahatratra izay kapiteny ary tena manantena izy fa tsy ho sarotra amin'ireo tanora entiny izany. Mikasika izay indrindra toy izao ireto mandrafitra ny ekipa malagasy amin'ity Amboara Davis ity. Izany dia ahitana an' Lucas Andriamasilalalao, Fenosoa Rasendra, Roméo Rakotomalala ary Antony Raharivony. Ankoatra ny fiadiana toerana dia manana andraikitra koa i Dina Razafimahatratra hanamboatra dieny izao izay hisolon-tena an'i Madagasikara mandritry ny Lalaon'ny Nosy. Toy izany koa ny vehivavy izay tantan'i Jean Marc Andriamanalina.
Clément RABARY
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,