airtel

Sport

18-sept-2023

Tennis ambony latabatra

Tompondakan'i Afrika i Fabio sy Antoine

Sample post image

Namiratra indray ireo mpilalao tennis ambony latabatra omaly tany Tunis -Tonizia nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika

18-sept-2023

Norombahan'ny Malagasy ny amboara teo amin'ny olon-droa miaraka nahitana an'i Antoine Razafinarivo sy Fabio Rakotoarimanana. Nahazo 2000 dolara moa izy ireo taorian' ny maha tompondaka azy ireo. Tafita amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany any Busan, Korea Atsimo, izy mirahalahy ireto ary mbola mieritreritra ho tafita any amin'ny Lalao Olaimpika any Paris. Milalao any Lille i Fabio Rakotoarimanana ary efa tompondakan'i Frantsa tao amin'ny sokajy zandriny U18. Ny Tonizianina Bourass sy Ben Attia no resin'ireto mpilalao malagasy ireto teo amin'ny famaranana.Efa arahin'ny Frantsay moa i Fabio fa io izy nisafidy hiaro ny voninahitr'i Madagasikara. Vazaha taratasy izany hatreto fa Malagasy ihany koa.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap