airtel

Sport

21-juil-2025

Thaï premier league

Miverina amin’ny heriny tanteraka i Njiva

Sample post image

Azo lazaina ho nangidy tamin’i Njiva Rakotoharimalala, lohalaharany

21-juil-2025

malagasy milalao ao amin’ny Ratchaburi FC, divizionina voalohany ao Thailand eo amin’ny taranja baolina kitra, ny taom-pilalaovana 2024 -2025 teo satria dia zara raha nahavita lalao miisa 14 ny lehilahy. Namono baolina miisa 10 ary nahavita tolotra tsy azo ivalozana miisa 4 na dia teo aza ny karatra mavo niisa 2 azony, indrindra, ny ratra tsy nahafahany nilalao efa ho tapa-taona mihitsy ny lehilahy. Hita ho efa miverina amin’ny heriny kosa ity mpilalao 32 taona ity, raha niakatra kianja nanao lalao ara-pirahalahiana tamin’ny RKBC ny faran’ny herinandro teo. Lalao fanomanana ny fiatrehana ny Thaï premier league 2025 -2026 izy ity, izany hoe ny fifaninanam-pirenena sangany indrindra ao an-toerana ka nandresen’ny Ratchaburi FC ny RKBC tamin’ny isa 2 noho 1.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

Mangataka ny hanoloana an'i Iran hampidirana an'i Italie

Card image cap
28-avril-2026

Nahavita ny azy ny tao Mandritsara

Card image cap