Dia n'y fahalafon'ny vidim-pidirana. Valo hetsy ariary (200 euros) ny ambany indrindra ary tafiakatra hatrany amin'ny 24 tapitrisa (6000 euros) izany. Ataovy ny kajikajy fa betsaka noho ny vola ilain'ny fanjakana malagasy herintaona no Azo anatin'ny lalao iray Ligue des champions. Mazava izao fa raha te handroso sy hanana mpilalao. malaza dia tsy maintsy mameno kianja amin'ny fidirana lafo. Hatreto anefa dia tena mbola lavitry ny afo ny kitay raha ny baolina kitra eto an-tanana. Tomefy olona ny arabe raha nitsena ny Barea nefa mangadihady ny kianja tamin'ny fihaonan'ny ASA Nosy Be sy Fosa Juniors. Ity farany anefa no tena nandrafitra ny ekipa tany Alzeria satria nahitana an'i Dax izay voahosotra indroa ho mpilalao mendrika indrindra raha indray mandeha ny an'i Tsiry. Mbola tao koa i Donga, Avizara, Jean Yves ary Rado Kely. Ka na hijery an'ireo fotsiny aza ve est ahafoy roa arivo. Sa hoe ampiana kely izay dia mahazo vary iray kilao ? Mafy e .
Clément RABARY
Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny
Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,
Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo