airtel

Sport

08-nov-2021

Sport

Tsipy kanetibe Afrikanina Azon’ny Malagasy ny “Coupe des Nations”

Sample post image

Na niondrika teo anatrehan'i Burkina Faso mpampiantrano tamin’ny isa 13-10 isika Malagasy tamin’ny “partie de cadrage”, tafiditra tao anatin’ny fiadiana ny amboaran’I Afrika ho an’ny taranja tsipy kanetibe,

08-nov-2021

 ka nahatapaka ny làlantsika tsy tafiakatra niatrika ny lalao ny ¼-dàlana tamin’io “Championnat d’Afrique 2021” io, dia mbola afaka nanarina tao anatin’ny “Coupe des nations” ry Avotra, Haja, Denis, Jacky. Nibata fandresena ireo solontenan'i Madagasikara, izay natao tany Burkina Faso. Norombahan'izy ireo ny amboaran'i Afrika rehefa avy nandresy ny ekipan'ny Tchad tamin’ny isa 13-10 tamin’ny famaranana, raha toa ka resintsika tamin’ny 13-11 tamin’ny manasa-dàlana I Togo, ary Guinée Conakry kosa lavo 13-2 tamin’ny ampahefa-dàlana. Noho io vokatra io, nahazo ny tapakila entina miatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany izay hatao any Bénin ny ekipam-pirenena Malagasy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap