airtel

Sport

10-janv-2024

Tsipy kanetibe

Mbola mafy i Faly Jex

Sample post image

Na dia voasazy aza ny tsipy kanetibe malagasy dia tsy mahasakana ireo mpilalao any Frantsa hamiratra izany.

10-janv-2024

Isan'izany i Jex na Faly Angelo no ahafantaran'Ambohimahasoa tany nihaviany. Ny taona 2014 rehefa nahazo ny Mondial du Volcan Clermont Ferrand Frantsa, teo amin'ny olon-droa sy olona telo miaraka izy no niampita tany Frantsa ary tonga hatrany amin'ny famaranana ilay fifaninana betsaka mpandray anjara indrindra eran-tany La Marseillaise. Io no nanokatra ny lalany tany Frantsa satria dia mbola azony koa ny Euro Pétanque tany Nice ny taona 2017. Nipetraka tany Lozère i Faly ka efa nandrombaka ny tompondakan'ity tanana ity teo amin'ny olona telo miaraka sy olon-droa lahy sy vavy. Tena nanakoako tany Frantsa ny lazan'i Jex ary tsy mahagaga ny nifindrany nanomboka tamin'ity taom-pilalaovana ity tao amin'ny Team Passion 2024. Fanamby vaovao izay tsy maintsy ho tanterany satria efa mety ny fiainany ary mety ho azy koa ny tsipy kanetibe.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Card image cap
13-mai-2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

Card image cap
13-mai-2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Card image cap
13-mai-2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

Card image cap
13-mai-2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

Card image cap