airtel

Sport

09-déc-2024

Tsipy kanetibe

Nahazo ny tompondaka sy tompondaka lefitra eran-tany ny Malagasy

Sample post image

Voahosotra ho tompondaka lefitra eran-tany ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja tsipy kanetibe,

09-déc-2024

fifaninana notanterahana tany Dijon France. Nisongdina hatrany niainga tany am-boalohany ka hatramin’ny farany isika ka isan’ny nisongadina ny nanamontsanan’ny Malagasy ny Frantsay tamin’ny isa mavesatra 13-3 tamin’ny manasa-dàlana. Nanao ny tsy nambinina isika tany amin’ny faranana ka 11-13 ry Jean-François Rakotondrainibe, Faratiana Rakotoniaina, Faly Andrianantenaina ary Christian Andriantseheno nanoloana ny ekipa Italianina notarihin’i Diégo Rizzi. Ny lalao iraisana izay fa fandresena miezinezina ho antsika kosa ny nibatan’i Jean-François Rakotondrainibe na Ziggle ny maha tompondaka eran-tany teo « tir de précision ». Nanjaka tanteraka ity mpilalao Malagasy vao erotrerony ity raha tsy hilaza afatsy ny dingana ampahefa-dàlana izay nanamontsanany 47-24 an’ilay Argentin Guevara Nestor Omar, 30-18 no nandreseny an’ilay Espaniola Jesus Antonio tamin’ny manasa-dàlana, ary ny solontenan’i Hongrie Nagy Laszio kosa no montsany 46-32 tamin’ny famaranana. Midika izany, fa tsara ny vokatra azon’ny Malagasy, ary isan’ny taranja tena voafehintsika ity taranja ity. Betsaka ny fanohanana mila atao fa tsy rehefa mandresy ny ekipam-pirenena vao mandeha ny seraseram-panjakana samihafa. Asa na mitombina tokoa ny hoe : mba nangataka hihaona tamin’ny manam-pahefana ambony ireto solontenantsika ireto nialohan’ny niaingana fa tsy noraharahiana na tsia ? Ny zava-dehibe aloha dia nitondra vokatra lehibe ry zalahy ka ankasitrahana sy isaorana, ary irariana hitohy hatrany ny fahombiazana !
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

Card image cap
13-juin-2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Card image cap
12-juin-2025

Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’

Card image cap
12-juin-2025

Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,

Card image cap