airtel

Sport

15-mars-2021

Sport

Tsy fahafahan’i Bolida sy Rayan Mety hanimba, mety hanatsara paikady

Sample post image

Azo lazaina ho mety hanimba ny paikadin’ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra,

15-mars-2021

 

 

 Nicolas Dupuis, ihany ny tsy fahafahan’ilay lohalaharan’ny Paris FC, Lalaina Nomenjanahary, hiatrika ireo fihaonana farany miisa 2 amin’ny ekipam-pirenen’i Niger sy Etiopia ny 24 sy 30 martsa izao. Toy izany koa ny momba an’i Rayan Raveloson, izay irakiraka afovoany ao amin’ny Estac Troyes. Samy mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena frantsay, divizionina faharoa, moa izy mirahalahy ireto. I Bolida na Lalaina Nomenjanahary, raha tsiahivina no mpilalao mendrika tamin’ny lalao mandroso nihaonantsika tamin’i Niger tany an-toerana ny 19 novambra 2019 teo. Izy no nanasahala ny isa ho 1 noho 1 ary mbola namono ny baolina faharoa nahafahantsika ho nitarika ny isa ka nitohy nandresy tamin’ny isa mavesatra 6 noho 2 rehefa nifarana ny lalao. Rayan koa dia mpilalao mendrika nandritry ny fihaonana tamin’i Etiopia tao Barikadimy ny 16 novambra 2020, izany hoe 3 andro talohan’io, ary izy no nampiditra ny baolina tokana nitondra antsika tamin’ny fandresena. Azo lazaina ho mety hanimba ny paikadin’ny mpanazatra amin’ireto fihaonana miisa 2 ireo ihany, araka izany, ny tsy fahafahan’izy mirahalahy saingy mety hanatsara zavatra ihany koa anefa amin’ny lafiny iray satria handiso ny kajin’ireo ekipam-pirenena miisa 2 hifanandrina amintsika izay mety ho efa nandinika manokana ny hitazomana an’i Bolida sy Rayan.

J. Mirija

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap