airtel

Sport

14-mars-2022

Sport

Voasazy i Madagasikara Herintaona tsy mahazo manao tsipy kanetibe iraisam-pirenena

Sample post image

Nosazian'ny federasionina iraisam-pirenena taranja tsipy kanetibe tsy handray anjara amin'ny fifaninanana ho an'ny tsipy kanetibe manerantany mandritra ny herintaona i Madagasikara.

14-mars-2022

Tsy nahaloa ny saran'ny fiantranoana nandritra ny fiadiana izay ho tompondaka erantany natao tany Santa Suzanna, Espanina farany teo no voalaza ho anton'izany. Tsy nisy afatsy ny Minisitry ny fanatanjahantena sy ny Tale Jeneralin'ny fanatanjahantena ihany no nahaloa ny fiantranoany, hoy ny nambaran’ny federasionina iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe na FIPJP. Tsy mendrika, hoy izy ireo, ny fihetsiky ny governemanta Malagasy. Mampahatsiahy ny fihetsiky ny filohan’ny federasionina Malagasy na FMBM teo aloha, Dolys Randriamarohaja, izay namatsy tamin’ny alalan’ny volany manokany ny saran’ny sidin’ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena tany amin’ny tompondakan’I Afrika natao tany Lome ity tranga ity, izay nijanona ho fampanantenan’ny fitondram-panjakana fotsiny moa ny hoe hamerenana izany vola izany. Nandanian’ity filoha ity hatramin’ny 50.000 Euros izany ary mbola nizakany teritery samihafa hany ka namoizany aina tampoka tany amin’ny hopitaly mihitsy tamin’ny taon-dasa, izany hoe ny aprily 2021 teo, hoy hatrany ny fanazavan’ny komity mpanatanteraky ny FIPJP. Araka izany dia tsy isan’ireo handray anjara amin’ny amin’ireo fifaninanana iraisampirenena ato ho ato ny Malagasy. Na ny tompondaka eran-tany atao any Karslunde, Danemark, amin’ny volana may io ary ho an’ny sokajy rehetra, izay hoe ho an’olon-tokana, ho an-olon-droa lahy sy vavy. Toy izany koa ny ho an’olona 3 atao any Benin amin’ny desambra sy rehefa mety ho fifaninanana iraisampirenena, eny, na dia ny lalaon’ny nosy atao eto Madagasikara amin’ny taona 2023 izao aza. Izany no natao, hoy hatrany ny FIPJP nanasazy sady nanome lesona, dia fara faha keliny mba hialan’ny governemanta amin’ny fanaovana fampanantenana poakaty.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Efa any Serbia ny Ankoay 3x3 manomana ny fiadiana toerana ho any amin'ny Lalao Olimpika any Paris

Card image cap
03-mai-2024

Hatramin’ny 1 may teo no efa heno fa voasazy tsy afaka milalao baolina kitra mandritry ny 2 taona i Rajomazandry Andrinirina na i Joma,

Card image cap
02-mai-2024

Mafy, tena mafy ity Miotisoa Rasendra ity raha samy junior ihany.

Card image cap