airtel

Sport

03-avril-2023

Sport

Volleyball Any Antsirabe no ambohipihaonana

Sample post image

Hifamotoana any Antsirabe indray ny mpilalao volleyball mandritry ny herinandro ny 7 ka hatealin'ny 14 aprily.

03-avril-2023

Hotonsaina any mantsy ny amboaran'i Madagasikara sokajy zandriny lahy sy vavy ary koa ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny diviziona faharoa Ho feno ny fandaharam-potoana noho izany satria saika vory lanona ny avy amin'ny lafivalon'ny nosy. Raha ireo mpandray anjara indray dia sauka ahitana an'ireo zandary GNVB avokoa ny sokajy rehetra Porofo izany fa tsy manao ambin-javatra ity taranja iray ity ry zareo. Misy rahateo ny hatao ka tsy mahagaga raha isan'ny lokomotiva manosika ny volley eto Madagasikara ny GNVB. Ny mety hiseho aza dia ny hanaovany ampihimamba ireo amboara rehetra hifaninana Mandra-piandry izany anefa dia toy izao ireo mpandray anjara. U16 vehivavy : GNVB, EVRA Boeny, ASI Analamanga, EVRI Ihorombe EVBFI Bieny U16 lehilahy : GNVB, BI'AS U14 vehivavy : CRJS Toamasina, GNVB, EVRI Ihorombe, MVBC Mahajanga EVBFI Mahajanga, ASCA 1 Antsirabe ADCA 2 Antsirabe, EVRA Noent, GNVB, Stella Maris Toamasina U20 vehivavy : EVRA Toamasina, Stef'Auto, GNVB, BI'AS U20 lehilahy : GSVB Toliara ASI Analamanga, MVBC Fianarantsoa, EVRI Ihorombe 2,DF : ASSM, SQIAD, ASI Analamanga, AVBA Antsirabe 2DM : SDV Analamanga, NADJ Toamasina, Pôle GNVB Analamanga, AVBA Antsirabe.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny

Card image cap
02-oct-2023

Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,

Card image cap
28-sept-2023

Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo

Card image cap