Yazid Zinedine Zidane, raha naneho ny hafaliana noho ny nanendren’ny Federasionina frantsain’ny baolina kitra na FFF azy tamin’ny fomba ofisialy ho mpanazatran’ny ekipam-pirenena frantsay eo amin’ny taranja baolina kitra omaly. Betsaka, hoy izy, ny tolotra nomena ahy tao anatin’ny 4 na 5 taona saingy nolaviko daholo ho an’i Frantsa. Efa ela aho no te hitondra an’i Frantsa, hoy izy, ary izay ihany no mba tiako ho atao taorian’ny nitondràna an’i Real Madrid. Laharana faha 10 aho fony mpilalao. Nankafy nilalao ny tena. Ny fahafinaretako dia ny mahita baolina miditra anaty araton’ny mpifanandrina. Mila toherina ny fanavakavahana. Monina amina firenena maha te ho tia isika noho ity izy anatina fampihaonana olombelona avy amina firenena samihafa ity. Lehibe tamina vakimparitra nanome toerana ho an’ny olona rehetra aho, hoy hatrany ity tompondaka erantany 1998 ity.
Nangonin’i J. Mirija