airtel

Toekarena

17-mai-2022

Toekarena

Famokarana siramamy Ho avy eny an-tsena ny vokatry ny « Mini-sucrerie » Antanamifafy

Sample post image

Mitsimoka tsikelikely ireo orinasa madinika mamokatra ny zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Iray amin’ireny ny orinasa madinika famokarana siramamy na « Mini-sucrerie » ao Antanamifafy,

17-mai-2022

Kaominina Ambalakida, Distrika Mahajanga II Faritra Boeny. Efa aman-taonany ity orinasa ity no nitsangana saingy izao vao manao andrana famokarana. Nitsidika io orinasa io ny Ministry ny Fampiroborobona ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny 14 May lasa teo mialoha ny ny tena hihodinan’ny orinasa ofisialy. Isaorana hoy ny minisitra ireo rehetra nitàna azy ity ho tonga amin’izao dingana izao. Famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eropeana sy fiaraha-miasa tamin’ny sampan’ny Firenena Mikambana momba ny fampiromboroana ny indostria no nahazoana ity orinasa kely mamokatra siramamy ity ary ny orinasa Apolo International avy any Inde kosa no mpamatsy ny fitaovana sy ireo milina rehetra ao anatiny. Ireo tantsaha ao an-toerana kosa no mpamokatra sy mpamatsy ny fary ahodina ho siramamy. Hotokanana tsy ho ela izy ity ary notsiahivin’Atoa Minisitra fa anisan’ireo Taniketsa indostrialy iray isaky ny distrika ity Mini-sucrerie ao Antanamifafy ity.
Jean D.
 

 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Misedra olana administratifa amin’izao fotoana izao ny orinasa Madagascar oil,

Card image cap
06-mai-2024

Hiroso amin'ny lalindalina kokoa ka hiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny famokarana solika mavesatra na

Card image cap