Eoropeanina, nisokatra ny tsena sinoa
Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana ny seha-pihariana voanjo i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana entina hanohanana ny fahaleovantena ara-tsakafo eto amin’ny firenena. Tao amin’ny Oniversiten’i Antananarivo, naseho tamin’ny mpianatra Master sy ny mpampianatra-mpikaroka ao amin’ny ESSA – École Supérieure des Sciences Agronomiques ny metodôlôjia fanadihadiana ny “filières” avy amin’ny programa VCA4D, izay tohanan’ny Vondrona Eoropeana. Tanjona ny hanome fitaovana stratejika ho an’ny firenena, mba hahafahana manitsy sy manatsara ny politika ho an’ny fambolena, fiompiana ary jono. Maniry ny hanamafy ny fahaiza-manao nasionaly amin’ny alalan’ny fandraisan’anjaran’ny mpianatra sy ny mpikaroka amin’ny dingana fanapahan-kevitra ny Vondrona Eoropeanina. Ny faritra Menabe no tena loharanon’ny famokarana voanjo eto Madagasikara. Mikendry hahatratra 30 000 taonina isan-taona ny Minisitera mpiahy, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny teknika fambolena mifanaraka amin’ny tany sy ny fizarana voan-javamaniry voamarina. Na dia mbola heverin’ny mpamboly ho ambany aza ny vidin’ny voanjo, dia mitombo hatrany ny seha-pihariana. Ny fanondranana mankany Shina dia mbola mitana anjara toerana lehibe, ary misy ihany koa ny orinasa fanodinana voanjo ho lasa menaka sakafo eto an-toerana. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, nitombo 32 % ny vokatra voanjo noho ny fanohanana sy fanofanana ireo mpamboly mihoatra ny 2 000. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Vondrona Eoropeana sy i Madagasikara dia manome fanantenana amin’ny fanamafisana ny fihariana voanjo, izay manampy amin’ny fanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha. Andaniny, feno ny fepetra ara-pahadiovana hahafahan’i Madagasikara manondrana indray ny voanjo Malagasy mankany Shina. Antony nanatanterahana ny fanaovan-tsonia fifanarahana na “protocole phytosanitaire” teo amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena Ara-tsakafo, tarihin’ny Minisitra tompon’andraikitra, sy ny Ambasadaoron’i Shina miasa sy monina eto Madagasikara, omaly 18 mey tao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy. Misy ny anjara andraikitra lehibe raisin’ny Minisitera amin’ny fanaraha-maso ny tanimboly, ataon’ireo teknisianina avy ao amin’ny Fitaleavana misahana ny fiarovana ny zava-maniry, hatramin’ny fitsirihana farany ara-pahadiovana mifanaraka amin’ny fenitra Sinoa GB 2761.
Toky R